PUBLICATIONS

Publication sur le journal Gazetiko le mardi 27 juillet 2021
Gazetiko. Ahona ny fijerinao ny fisian’ny fikasana hamono an’i Filoha.
FL Dawidson. Manemeloka ny fikasana feho habibiana toy izao ny tenako. Manainga antsika rehetra ho tony miandry ny marina homen’ny tompon’andraikitra mikasika izany.
Gazetiko. Ny fahazoantsika fanampiana vé no maneho fa miarin-doha ny Firenena ?
FL Dawidson. Tsy vao izao ny Firenena malagasy no mahazo fanampiana. Ny taona 2005-2006 isika ohatra nahazo be dia bé. Kanefa, tsy misy fihatraikany mivaingana amin’ny harin-karena malagasy na ny fanomezana voaray na ny vola nidramina. Io vola io dia tsy antoka velively fa hisy zavatra hiova na hoe handroso isika. Ny fomba fiasan’ny Filoha, mikaroka amin’ny heriny rehetra ary manolotra ny heriny rehetra hampandroso marina sy ireo asa efa natombony no manamarika fa manomboka mianga isika.
Gazetiko. Misy ireo mangataka ny hanovàna olona amin’ny Fitondrana, ahoana ny fijerinao izay ?
FL Dawidson. Ndeha isika haka ohatra vitsivitsy hanehona fa ny fiovaovan’ny olona mandray andraikitra tsy nitondra vokatra teto amin’ny Firenena ary tsy voatery hamokatra. Mila fantarina ny olona, miova ny rafitra sy fomba fiasa ; ka amin’izay siny vaovao no hasiana ny divao vaovao (Matio IX, 17).
Ohatra 1. Ny JIRAMA dia efa ampolony taona mahery no nampitondra fahorina ny vahoaka ary maneho tsy fahombiazana tanteraka. Efa maro no nifandimby teo, nosolina fa hoe tsy mahavita azy. Tsy nisy zavatra niova satria tsy nofaritana mazava ny olona fa ny fanolona olona no naha-maika. Raha ny tranga hatraizay no zohina dia mila sarahina amin’ny rano no jiro ary omena ny tafika mandrindra ny ray taona ny fanarenana ny momba ny jiro(électricité). Discipline et justice no olana.
Ohatra 2. Ny Lapan’ny Fitsarana dia lasa lapan’ny kolikoly sy ny fahalovana. Antsointsika ho Lapan’ny Fitsarana ny toerana hiantoka ny fahamarinana eto amin’ny Firenena, izany dia tokony hantsoina ho Lapan’ny Fahamarinana. Raha ny fitsarana manko no tanjona fa tsy ny fitadiavana ny Marina dia ho lasa zavatra mahazatra ny hoe ny mpanao kolikoly mitsara olona mahitsy ka mandefa izany any amponja satria tsy manolotra ary tsy mahalala fomba. Toy izany koa, raha ny olo-marina no tsarain’ny mpandainga dia ho meloka izy satria tsy mba fetsy. Mila solina ary vé izany ny mpitsara fa feno fahalovana ny fitsarana ? Tsia ! Ny fahalovana dia mianga avy amin’ny rafitra. Hitantsika izany amin’ireo fitsarana any amin’ny Faritany. Mifankahalala ny olona rehetra, ka ny managadra namana na olona mifankahafantatra amin’ny tena dia manahirana ary mety hampidi-doza. Eto dia afaka mampiasa ny teknolojia blockchain isika ka ny fitsarana manerana ny nosy no miara mitsara ny raharaha mety hanahirana. Mila numérisation ny lalàna rehetra fa maro ny tsy maraka ny teotr’andro ary tena sakana ho amin’ny fampandrosoana.
Ohatra 3. Ny taxi-bé izay mampihatra ny tsy rariny, manao tapa-dalana rehefa hariva, manao taingi-bé rehefa bé olona ary miandry ela dia ela rehefa tsy dia misy olona. Tsy fantatra hoe amin’firy no manomboka na amin’ny firy no mijanona. Mila soloina vé ny mpandraharaha ?
Tsia ! Ny olana fototra eto dia mitovy amin’ny olana napetraky ny ékonimiste izay nitady vaha-olona tamin’ny krizy tany Eropa teo anelanelan’ny ady lehibé roa. Mila sarahina ny capitaux sy ny fitantanana azy. Hampiana araka izany ireo mpandraharaha mba hivondrona ho iray ka izy rehetra dia ho tonga mpanam-bola ao anatin’izany rafitra vaovao izany. Manaraka izany, omena eni-bola izy ireo hanova ireo fiara botry kely ireo ho fiara fitanterana vaventy. Ny mpianatra ny ny mpampiasa fitanterana andavanadro dia ho afaka mividy tapakila mora kokoa ; fa ny mpanjifa mahalana no hividy lafo ny tapakila.
Maro ny ohatra azo lazaina faho fehiny, dia mila faritana mazava ny olana, arafitra ny vahaolana ary apetraka ny lojika vaovao. Amin’izay, raha ilaina dia soloina ny olona efa hita fomba fiasa ka voaporofo fa tsy mahavita azy.
Gazetiko. Raha fijerinao, mety vé ny fanitsiana ny loi de finance ?
FL Dawidson. Mahavarina fa isika mbola mihanona amin’ny fitavaova fitantanana sy famantsia-bola sy toekerena tranainy (intruments de politiques budgétaire et monétaires traditionnels). Maro bé ny fitaovana manaraka teotr’andro azo ampiasaina hampandrosoana Firenana. Mila mametraka Tsenan’ny capitaux isika (marché financier) ary manofana olona maro hahafehy ny ingénerie financière sy ny fitaovana raitra amin’ny famatsiana ny teokarem-pirenena (les nouveaux intruments de financements de l’économie). Mila fanovana sy fandrafetana ifotony ny ara-bola. Ambany bé ny fiodin’ny vola (vélocité de la monnaie) ary bé lotra ny tahan’ny vola matory (monnaie oisive). Mila jerentsika akiky ny fampiasana ny cryptomonnaie sy ny digitalization ny vola sy ny fifanakalozana.

Publication sur le journal Midi Madagascar le 05 juillet 2020
Suite à l’émission spéciale sur la chaîne de télévision TV-PLUS, le président du Club Excellence Madagascar a publié le résumé de ses idées sur le journal Midi-Madagascar :
- Le coronavirus a provoqué un choc inédit. Cela va entraîner un nouveau paradigme économique et social. Les relations internationales vont se transformer. Madagascar doit chercher sa place dans cette mutation qui est à la fois une menace et une opportunité. Le domaine du numérique et de l’informatique est une des ouverture de ce profond changement. Un investissement massif dans ce secteur est nécessaire;
- Madagascar s’est appauvri depuis la deuxième république. Les données disponibles sur le site de la Banque Mondiale ont permis de montrer la perte de la productivité, l’inflation soutenue et la stérilité des instruments monétaires et financiers depuis la fin des années 70;
- Madagascar ne doit pas suivre la voie du nationalisme pour revendiquer sa souveraineté. Les relations internationales modernes reposent sur des calculs stratégiques. Nous devons agir dans ce sens pour répondre aux intérêts des malgaches. Le Président de la République actuel, Monsieur Andry RAJOELINA a eu le courage de sensibiliser et de mobiliser les malgaches sur le potentiel du pays à travers la revendication des Îles Eparses. On espère que cette sensibilisation s’élargira sur les ressources naturelles, comme les réserves en or, qui sont mal exploitées.

Publication sur le journal Gazetiko, le 05 juillet 2021
Le Président du Club Excellence Madagascar a partagé ses idées sur la nécessité de la mobilisation générale pour accompagner la politique de relance et de redressement menée par le Président de la République de Madagascar. Le militaire doit être mobilisé pour soutenir et réaliser les grands projets. De plus, une culture de produits vivriers doit être mise en place en urgence sinon, la famine risque de toucher sévèrement Madagascar.